2 Corinthians 9

1Mikasika ny asa fanompoana ho an’ny mpino, tsy tena ilaiko ny manoratra ho anareo. 2Fantatro ny momba ny fanirinareo, izay ireharehako amin’ny olon’i Makedonia. Nolazaiko azy ireo fa Akaia dia efa vonona nanomboka tamin’ny taona lasa. Ny zotom-ponareo no nanosika ny ankamaroan’izy ireo hiasa.

3Ary nirahiko ny rahalahy mba tsy ho zava-poana ny fireharehantsika momba anareo, ary mba ho vonona ianareo, araka ny efa nolazaiko ho ianareo. 4Raha tsy izany, raha misy Makedoniana maro miaraka amiko ary mahita anareo mbola tsy vonona, dia ho menatra isika-tsy milaza na inona na inona momba anareo aho-noho ny fahatokiana anareo. 5Ka mieritreritra aho fa ilaina ny mamporisika ireo rahalahy hankany aminao ary hanao fifanarahana mialoha ny amin’ny fanomezana efa nampanantenainao. Izany dia ahafahana mivonona toy ny fitahiana, fa tsy toy ny zavatra tsy azo ekena.

6Ny tena izy dia ity: Ny iray izay mamafy kely dia hijinja ny kely ihany koa, ary ny iray izay mamafy amin’ny tanjom-pitahiana dia hijinja fitahiana ihany koa. 7Avelao ny tsirairay hanome araka izay efa norafetiny tao am-pony. Aza avela manome fahoriana na faneriterena izy. Fa ny mpanome am-pifaliana no tian’Andriamanitra.

8Ary Andriamanitra dia afaka mampitombo ny fitahiana ho anao, mba, amin’ny zavatra rehetra, dia afaka hahazo izay ilainareo rehetra mandrakariva ianareo. Izany no misy dia mba ahafahanareo manatombo ny asa soa anareo. 9Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Nozarainy ireo harenany ary nanome azy ireny ho an’ny mahantra. Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.”

10Izy izay mamatsy voa ho an’ny mpamboly izay mamafy sy ny mofo ho an’ny sakafo, dia hamatsy sy hampitombo ny voanao ihany koa ho amin’ny famafazana. Hampitombo ny vokatry ny fahamarinanao izy. 11Hahazo harena amin’ny fomba rehetra ianao mba hahatonga anao ho malala-tanana. Izany dia hitondra fanehoam-pisaorana an’Andriamanitra amin’ny alalanay.

12Ny fanatanterahana io asa fanompoana io dia tsy vitan’ny hoe mahafeno ny zavatra ilain’ny mpino fotsiny ihany. Mitombo ihany koa izany amin’ny asa fanomezam- pisaorana an’Andriamanitra maro. 13Fa noho ny fitsapana anareo izay voaporofo amin’io asa io, dia hanome voninahitra an’Andriamanitra koa ianareo amin’ny fankatoavana ny fibabohanareo amin’ny filazantsaran’i Kristy. Dia hanome voninahitra an’Andriamanitra koa ianareo amin’ny fahalalahan-tananareo amin’ny fanomezana ho an’izy ireo sy ny olon-drehetra. 14Maniry anao izy ireo, ary mivavaka ho anao izy ireo. Manao izany izy ireo noho ny fahalebiazan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao. Ho an’Andriamanitra anie ny saotra noho ny fanomezany tsy hay lazaina!

15

Copyright information for PltULB